2013 (Belahy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mba kitakitano amin’izay re ry akama fa sao tsika lasa mihesona
Mirotsaka hanao politika mba hatavitavy ho lasa botrefona
Ireo mpitondra nifandimbindimby nampianatra antsika nanome lesona

Sao dia misy mazoto na terem-panahy
Hanao komity na prezda
Mpitam-bola na sekretera
Fa tsika tsy mila milodaka ela
Amin’ny alahady tongava mivory
Manaova fitafin’olona ambony
Isika hirotsaka hanao politika
Teneno ny akama;tongava dia ento ny ekipa
O ry leity tsy rediredy fa amin’ny taona 2013
Dia misy milaza hitondra ny tany
Tonga dia pezy
Dia malaza sy tena mahoraka
Fa I pasitera ao Ambohitsirohitra
Fa ny devoly no sisa mpanohitra
Apokalipsy ankatohavin’ny FMI
Fa ry Jaona sy Jeremia dia tsy afaka hitondra an’ity tany ity
Ka mila mahay misolelaka oh! Manao revina pelaka
Dia tsy maintsy mampiasa coco raha ohatra ka te hahazo gateau
Raha tsy izany dia tapa-prein raha vao tsy mijapy train

Firifiry no efa nitondra niliba sy nirobaroba
Na namono na nahavanin-doza dia tsy nisy nahiditra am-ponja

Tsy maintsy hisy bal ihany izy ity raha ohatra ka tena norme
Dia hitady kianja malalaka tery loatra raha Carlton
Lohateny hivoaka an-gazety dia hoe:”matin-drapasy ny baolina” eh!

Tsy misy resaka jiolahim-boto ranom-boakazo no rano fisotro
Raha hitapitapy mandana matory
Ny anay ny mpitondra mandroaka devoly
Laharam-pahamehana fandriampahalemana
Fa ny devoly tsy mahazo toerana
Zatra miliba mangoro-pananana
Ndana mipitsika sao hametrahany Tanana
O ry leity tsy mananihany
F’izaho nanofy an’ilay mpaminany
Ilay pasitera hanao fahagagana
Hitondra ny tany
Dia malaza sy tena mahoraka
Fa I pasitera ao Ambohitsirohitra
Fa ny devoly no sisa mpanohitra
Apokalipsy ankatohavin’ny FMI
Fa ry Jaona sy Jeremia dia tsy afaka hitondra an’ity tany ity
Ka mila mahay misolelaka oh! Manao revina pelaka
Dia tsy maintsy mampiasa coco raha ohatra ka te hahazo gateau
Raha tsy izany dia tapa-prein raha vao tsy mijapy train

Firifiry no efa nitondra niliba sy nirobaroba
Na namono na nahavanin-doza dia tsy nisy nahiditra am-ponja


Tsy misy resaka jiolahim-boto … nahiditra am-ponja
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Belahy
Vangy : 3641
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : breacksong
Daty : 27/06/2013 14:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0742