Mahazo Manonofy (&Ayn'S feat Natex)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Couplet 1: Raha mba izaho no mpanankarena
Dia hijanona ho mpanjaka hoan'ity firenena
Hanavotra eeh
irika Taimbava lavita ahy io , tsy mipoapoaka
Fa vonona hijoro , hanasoa ny vahoaka
Fa izy ireo anie miandrandra fandresena
Couplet 2:
Fireneko midadasika tsy omeko ireo vahiny
Tany ngeza mba hiriko , ho volena
Tsy asiko tsy ho voakasika raha mbola samy gasy
Na mahantra io na manana dia hitovy lafy
Tsy ataoko ikarama , ireo malagasy maro
Fa ataoko hifanampy amin'ny tanatanana
Voleko fahendrena dia voleko fihavanana
Zaraiko masom- boly dia ny tany iaraha- manana
Ny vola ho ariko raha ho betsaka ho zaraina
Tsy hisy noana intsony , tsy hisy hitaraina
Ny marary ho tsaboina tsisy vidim-panafody
Ny fiara maimaim-poana na manatitra na mody
Tsy ataoko midi-trosa i Madagasikara
Ny mpatory an-dalambe, ho voakarakara
Ny mpanao birika asaiko iala saina maramara
Dia amin'izay ireo vahoaka samy hahavita trano tsara ah
Refrain:
Nofy ehh! Mahazo manonofy ehh!
Tsy fahotana zany , fa fiainana an-tany
Nofy ehh! Mahazo manonofy ehh!
Raha mbola eto an-tany , misy tsiky sy tomany
Couplet 3:
Izaho no filoha tsisy mpanohitra
Tsy anjorombala ny vahoaka tsy ataoko tohatra
Tsy ataoko dimy taona vao ho hitako sy ho fantatro
Fa isam-bolana tsidihako , ho zaraiko ny anjarako
Maka milamina rehefa eny an-dalambe
Fa tsy miafina amin'ny fiara misy vitre fumée
Ireo olo mitaraina fa ny fiaina- mafy
Avelako izy ireo hiteny tsy ambanako ny basy
Ny volamena trandrahako ho zaraina
Ny isan-tokantrano ataoko tsisy miala miaina
Ny gasy toa ahy no ibaiko vahiny
Fa tsy zaho tompon-tany no andadilady any
Rehefa hita tsy mety , avy dia miala
Tsy hifikitra seza , hoe olona adala
Soniaviko ny vita ,lasa miala sasatra aho
Harovako ny gasy dia tsy hisy ny rà latsaka oh
Refrain:
Nofy ehh! Mahazo manonofy ehh!
Tsy fahotana zany , fa fiainana an-tany
Nofy ehh! Mahazo manonofy ehh!
Raha mbola eto an-tany , misy tsiky sy tomany
Refrain:
Nofy ehh! Mahazo manonofy ehh!
Fa fiainana izany , Raha mbola eto an-tany
Nofy ehh! Mahazo manonofy ehh!
Fa zava-misy hiainana eto, na ny tsiky tomany
.........
Rehefa hita tsy mety , avy dia miala
Tsy hifikitra seza , hoe olona adala
Soniaviko ny vita ,lasa miala sasatra aho
Harovako ny gasy dia tsy hisy ny rà latsaka oh
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : &Ayn'S feat NatexVangy : 160
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Fandi
Daty : 05/03/2026 16:25
