Razanamalala (Arnold)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ie ie ie ie
Hankaiza Razanamalala iny e
ie ie ie ie
lasa nisidina ambony any izy e

Ie ie ie ie
Ndeha ho aiza Razanamalala iny e
ie ie ie ie
Nanaraka vazaha manam-bola izy e

Ie ie ie ie
Nisitaka nandao ny tokantrano izy e
ie ie ie ie
Niridana ka lasa tsy tàna izy e

ref:Fa izahay tsy nandroaka
fa ianao no nisitaka
veloma ka samy tsara, f'ianao
re mpamitaka
Mandehana ka mahita ny soa sy tsara
izahay tsy hanozona,
Fa tomany ny zaza tsy laitra
hampanginina
masina soavadia, f'izahay tsy
haninona.
Hozakaiko samy irery
ny adidiko e
Izaho tsy hiala

Ie ie ie ie
hankaiza Razanamalala iny e
ie ie ie ie
Lasa nisitaka ny tanana izy e

Ie ie ie ie
Ndeha ho aiza Razanamalala iny e
ie ie ie ie
Nandao ny akany fa tsy tamana izy e

Ie ie ie ie
Hankaiza ny maman'i zaza iny e
ie ie ie ie
Nanorim-ponenana lavitra any izy e

Ref...

Ie ie ie ie
Ndeha ho aiza Razanamalala iny e...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Arnold
Vangy : 627
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Rajeryjery
Daty : 13/07/2021 13:45
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116