Hanainga (Antsiva)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Roso ny dia, ilazao Izy hoe Hanainga aho tsy hijanona
Dia ho tongako any Izy andro iray
Rehefa izay no hasehony ahy
Hanainga aho
Raha handeha aho tsy ho irery
Handroso amin-kery
Fanatrao izay inoako
Hitan'ny masoko
Zava-maro no niseho
Nisintona ahy tsy handeha ho eo
Nanao izay azony atao
Tsy ahasakana ahy anefa izany
Satria izaho miaina eto an-tany afaka
Na hikipy aza, handeha
Na hiteny tsy ho re
Fantatro izay inoako
Hitan'ny masoko
Na hikipy aza, handeha
Na hiteny tsy ho re
Fantatro izay hinoako
Hitan'ireo masoko ankiroa
Manombok'eto tantara hafa indray
No entin'ny tontolo izay misy ahy
Voaomana aho tsy hijanona aho fa
Handeha
Hanainga aho
Hanainga aho
Hanainga aho
Hanainga aho
A/C: Antsiva Andriamasimanana
--------
Rohy:
