FA NY FAHASOAVANAO NO NAHATOY IZAO AHY (ANTSA FITORIANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Haja ambony amim-po tena tony no ankalazako
Lay tompo masina ambony mpitsinjo ny dia
Tsy haiko ho vidina ireo fitahiana nisesy tsy niato
Tsy tiany ho lavo ity fikambanana ity

Ny rivotra nifofofofo sy ny rahona izay nitatao
Tsy ireny ry tompo no ahasaraka ahy aminao
Nilaozako aniony tahotra , ny hovitra sy ny ahiahy
Fa ny fahasoavanao no nahatoy izao ahy

Tena tsy foiko ary tsy ho adinoiko na ovina na oviana
Ity fikambanana ANTSA FITORIANA
Satriko hatrany mba hamela mamy ombam-pitahiana
Izaho dia mety handao fa ny fo mbola tia


Ka na taona maro any aoriana mbola tiako dia tiako tokoa
Ilay fikambanana kely nahazoako ny soa
Tsy ny lasa ihany no tsara, fa ny ho avy ianao mbola hitahy
Fa ny fahasoavanao no nahatoy izao ahy

Ray aman-dreny dia indro niteny nitaiza am-pitiavana
Ilay Fiangonana izay nahazoako ny soa
Ka ho hajaiko tsy ho afaka an-tsaiko fiangonana Ampangabe
Nanolokolo ka isaorako be dia be

Ka tsy ho very maina ry tompo ireo asa efa vita hatrizay
Niteraka finoana velona sy nampiray
Ka he mahagaga tokoa ny asanao ao am-po sy am-panahy
FA NY FAHASOAVANAO NO NAHATOY IZAO AHY
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ANTSA FITORIANA
Vangy : 3075
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : harimiadana
Daty : 13/03/2013 16:47
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0738