Hiombona Aminao ny foko (Antoko Mpihira Akon'ny SERAFIMA (FJKM Manarintsoa Namehana Rasalama Maritiora)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hiombona Aminao ny foko ry Tompo
Asiako fatotra
Ianao no afaka hanome ho ahy ny fiainana
Ianao no tena volamena ekena mba ho mpanapaka
Ny tokatrano, ho voaaro, ho feno izany fiadanana

Tantano aho re (Tantano aho)
Tsy hisarak'Aminao (Tsy ho sarak'Anao)
Ka n'aiza n'aiza aleha anilanao
Ampahafantaro ahy (Ampahafanta-)
Ny lala-marinao (ro ahy izay lalanao)
F'izay mba hitako mamitaka
F'Ianao no hany 'lay azoko itokiana
Sakaiza tena tia ahy, tia ahy
Ny anilanao no toerana lalaina
Fa mahasambatra ahy
'Zay momba ahy, apetrako Aminao
Ho ampelatananao
'Zay faniriako, Ianao no iangaviako, raha toa ka sitrakao.

Hiombona Aminao ny foko, ry Tompo
Asiako Marika
Ao Aminao ihany no mba misy fiadanam-po
F'izao tontolo izao variana, sondriana ny mahafinaritra
Ny rendrarendra, mangeja, indrisy ! Hitondra ho aiza moa ?
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antoko Mpihira Akon'ny SERAFIMA (FJKM Manarintsoa Namehana Rasalama Maritiora
Hits : 230
Likes : 0 Like
Created by : HarysSata
Date : 13/04/2025 08:20
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0702