Vonona hanaraka Anao (Anteman'i Libanona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Be ireo fahotana
Tsy tambo isaina intsony,
Ny alahelo manaraka ihany.
Tapa-kevitra anefa,
Tsy hiverin-dalana ho any.
Fa ny androko sisa aoriana
Topazako maso.
Mino aho fa miandry ahy ianao,
Miandry ahy tokoa tokoa.
Izaho ilay ondry nania
Niverina indray.
Ampy ho ahy mandrakizay ry Jesosy o
Ny famindram-ponao.
Mirana endrika,
Feno haravoana ny aiko.

Ref. Mifaly sy mihoby ankehitriny
        Izaho 'lay efa very, tafaverina indray.
        Mihira hosana, am’ilay fiderana
        Hoy aho hoe : vonon-kanaraka Anao aho
        Anio, mandrakizay !

Tsy mba nihevitra akory,
‘Zay fiafarako eto an-tany.
Fa vao maika nisosoka ihany.
Tsy nahita ny soa, tsy tonga
Ary dia efa voa.
Tsy nahay nisafidy
Ny lalana izay niantefana.
Manantena ry Tompo o,
Tsy handà ahy Ianao hanafaka ahy
Amin’ny fahotako rehetra.
Fiainana sambatra
Tsy manam-petra,
No hovantaniko ao.
‘Zay re no fanantenana
Ao an-tsaiko hatrizao.

Ref. Mifaly sy mihoby ankehitriny...
        (Hoy aho hoe : vonon-kanaraka Anao aho
        Anio, mandrakizay !) x 3
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Anteman'i Libanona
Vangy : 336
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : jantina
Daty : 02/10/2023 18:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
Hirany hafa
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0765