VOADINAY (AMIF (Antoko Mpihira Imeritsifindra Fiderana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy sitraka avy amin'ny olona
No anton'izao asanay izao Ray o!
Fa avy amin'ny fo feno fitiavana
Manaiky izay lahatrao...
Tsy hoe izahay no feno fahendrena
Na koa hoe mahay izay rehetra kendrena
Fa manatanteraka am-panetretena
Ny tendry sy lahatrao Jeso Tompo o!

Ataonay izao hira izao
Ho voady eo anatrehanao
Indreto izahay tsy hanao
kinanga ny asanao Jeso
Sambatra izahay fa voafidinao
Tanaty ny maro hanao ny asaNAO

Raha tojo adiady na koa olana
Ny disadisa izay tsy maintsy hiseo
Dia aokoa ho tsaroanay lalandava ao am-po
fa izahay ef nanaiki anao
Ka raha hiala dia toy ny miala aminao
Raha oe ifanadao dia toy ny mandao anao
Na koa hoe hiato aloha fa mahatsiaro ho lao
Kanef ianao le Jeso tsy mba mandao

Ataonay izao hira izao ----
Ho voady eo anatrehanao |
Indreto izahay tsy hanao | 3X
kinanga ny asanao Jeso |
Sambatra izahay fa voafidinao |
Tanaty ny maro hanao ny asaNAO--



AMIF (Antoko Mpihira Imeritsiafindra Fiderana)
SPAA 10
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AMIF (Antoko Mpihira Imeritsifindra Fiderana)
Vangy : 427
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : zoniainadinarak
Daty : 25/12/2021 10:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0753