Anjara (Amboara)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Anio no hafaliako, ny foko lasanao
Izay maminao no tiako
Ny androko rehetra hafoiko ho anao
Ho anao tsy misy fetra
Ka raiso ny foko anjakao

Babonao aho tsy mety mitia intsony
Ny foko jamba no nampahiratinao
Fitia mandrakizay no natolotrao ahy
Nanjary nitia anao ny foko sy ny fanahy

Manomboka izao dia efa fantatro fa ianao
No ho eo anilako
Ny fitiavanao ireo teny maminao
No manjary andry sy fiarovana

Babonao aho tsy mety mitia intsony
Ny foko jamba no nampahiratinao
Fitia mandrakizay no natolotrao ahy
Nanjary nitia anao ny foko sy ny fanahy
Ravanao ny aiziko tao hatrizay
Satria nomenao fitiavana mandrakizay

Babonao aho tsy mety mitia intsony
Ny foko jamba no nampahiratinao
Fitia mandrakizay no natolotrao ahy
Nanjary nitia anao ny foko sy ny fanahy
Ravanao ny aiziko tao hatrizay
Satria nomenao fitiavana mandrakizay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Amboara
Vangy : 1135
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : lucianahrandriam
Daty : 30/03/2019 11:16
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725