Very hevitra (Akon'i Fanantenana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Very hevitra ianao
Toa tsy hita izay atao
Raha faly ny maraina
Ny ariva mitaraina

Fiverenana:
Raha mila fanafody
Dia ity re no tsarovy
Mandalo ihany izany*2
Raha mbola eto antany

Raha tojo akiviana
Toa vesaram-pahoriana
Iajadian'ny fijaliana
Fa nilaozam-pifaliana

Fiverenana:
..............

O ry tompo mba jereo
Ity zaza mitoreo
Ilay zanakao nania
Mba faingana re avia
Raha niala tao antrano
Fahiny aho nisalasala
Hiverina ao ambala
Ity zanaka adala
Hiverina ao antrano
Mba tsy hidiran'angano
Fiverenana:
.............
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Akon'i Fanantenana
Vangy : 151
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mampihonona
Daty : 03/01/2024 06:19
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0794