Iray dia (Ako)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny fo natao hitia, aza avela hankahala sy haniaka hanadino ny fitia
Ka raha lavitra ny namana na tsy eo anilanao ny havana
aoka ny fo no hifangia
Fa na lavitra any ambadika tsy hita
fitiavana tsy ho ritra
Fa na ho ela na ho haingana, iray dia
ny fo nifankatia
Mandalo ihany ny fiainana an-tany ka na eto ianao na lavitra any
Miraisa feo hampita eran-tany hanandratra ny hiran'ny fo faly
Hamoaka ny ao am-po, hamerina ao an-doha
Fifankatiavana taloha
Ny fo natao hitia, aza avela hankahala sy hania
ka hanadino ny fitia
Ka raha lavitra ny namana na tsy eo anilanao ny havana
aoka ny fo no hifangia
Fa na lavitra any ambadika tsy hita
fitiavana tsy ho ritra
Fa na ho ela na ho haingana, iray dia
ny fo nifankatia
Mandalo ihany ny fiainana an-tany ka na eto ianao na lavitra any
Miraisa feo hampita eran-tany hanandratra ny hiran'ny fo faly
Hamoaka ny ao am-po , hamerina ao an-doha
Fifankatiavana taloha
Ka raha sendra onjampiainana vaovao
Dia ireo no ampinganao ireo no aronao
Mba handresenao
hiaina amin'ny fahasambarana
Mandalo ihany ny fiainana an-tany ka na eto ianao na lavitra any
Miraisa feo hampita eran-tany hanandratra ny hiran'ny fo faly
Hamoaka ny ao am-po, hamerina ao an-doha
Fifankatiavana taloha
Tonony sy feony : Aina Rakotonanahary/Tiana Rakotonanahary
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : AkoVangy : 2324
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 06/12/2015 22:56