ZANAKA ADALA (AJC Team'Dera)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa ela aho Raiko no tao anatin'ny fahotana
Omeo ahy ny harenako manontolo aleo izaho hiala eh
Niseho nanara-po tamin'ny hadalana, hummm,saika lasa ny aiko ôh

Soa ihany aho ankehitriny fa nahalala
Tonga saina tany aho aleo mody haingana any an-tanana eh
Any zao ny raiko, any zao ny fety, any zao no tsara, Azoazoko ny aiko oh


Azoazoko ny aiko oh
Novonjenao ny fanahiko oh
Tsy hivilivily ny saiko oh
Fa Ianao no ilaiko oh,Azoazoko ny aiko oh


Ataoko ampy ahy izay ratsy vitako rehetra izay
Nodihovinao aho nomenao peratra vaovao eh
Tsy handeha hiverina hiosom-potaka ery indray
Non non non non non
F'efa ato Aminao oh

Te hitoetra ela eo an-tranonao
Tsy hiala amin'ny fanatrehanao
Izay misy ahy tiako hisy Anao
Azoazoko ny aiko oh


Mily Clement: "Zaho ti-hidriky antragnonao
Tsisy ti-hiala eo ankilanao oh
Zay misy zaho tiako hisy Anao
Eka baba nanely zay ehh
Azoazoko ny aiko oh iahh
Fa Ianao ihany no ilaiko
Tsy mivilivily ny saiko
Novonjenao ny fanahiko oh
Ehhhh, azoazoko ny aiko oh"

A/C: Jaovola
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AJC Team'Dera
Vangy : 2087
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mikaia0204
Daty : 29/04/2019 23:41
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0726