You are here: home > Tononkira > 5x5

Ilay niserana (5x5)

Nomena anarana hoe niangarana ianao
R'ilay niserana
Noho ireto hakanto miavosa aminao
Moa va tsy fanaperana ?

Asa ianao raha mba toa ahy ?
Mitempo ho ahy hatrizay ?
Raha toa ka tsisy anao indray
Dia mba mitovy, mitovy aminy

O, miandry anao aho
Maniry ny ahita anao indray
Aza ela loatra anie lay
Fa ny foko mangahiahy
Mandalova fa miandry
Ny aty tsy ho tafandry fa miandry anao aho

Iriko ho ilatononkira.serasera.orgy ela niandrasana ianao
R'ilay niserana
Ny bika aman'endrikao marina moa tsy nitovy, fanaperana

Lay foko tia tena sahy
Maniry hitoetra aminao
Sao ny hetahetanao sy ny ahy
Mety hifanojo, hifanojo ihany

O, miandry anao aho
Maniry ny ahita anao indray
Aza ela loatra anie lay
Fa ny foko mangahiahy
Mandalova fa miandry
Ny aty tsy ho tafandry fa miandry anao aho
Mandalova fa miandry
Ny aty tsy ho tafandry fa miandry anao aho

Mpihira : 5x5
Mpamaky : 24
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : myster
Tamin'ny : 22/09/2022 18:13:22
ID : 14572

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo