Ho ela velona (313)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hono ho’aho ray vahoaka tonga aty
Manahoana ‘zato ianareo tompoko ô
Ela ‘zay tsy nihaonana ka tonga hiarahaba anareo tompoko ô!
Raiso amin-kafaliana re ‘zahay fa zanaka tsy ‘soronana
Mitsikitsiky kely anie zahay ho solom-pandraisan-tanana,
Midoladola kely anie zahay ho mariky ny fitiavana anareo
Raiso amin-kafaliana re ‘zahay fa zanaka tsy ‘soronana
Ny hirantsik’é! Tsy ho lany,
Fa ny mozika no arindra hanarak’izany,
Eéééé lahy ô no arindra hanarak’izany ah!
Raha mba mankany Iarivo any ianao
Ka mijerijery ny zava-baovao, maromaroa ny ohatr’izay!
Moi quand j’étais petite, je ai jamais vu de soucis
Quand j’étais si jolie, dia jolie manja ery quelle folie !
Kanefa ry chérie, tsy noraharahin-dry, ka nisy hafa nikôty !
Ah oui, ah oui ! ah belle sortie dans la rue j’ai couru après mes amis !
Zanak’Iarivo ‘reny raha tsy fantatrao é, zanak’Iarivo sy ny fomba vaovao
Maromaroa ny ohatr’izay !
Avy taiz’ianareo ry zavavy é ? Avy nantsak’ izahay é!
Taiza ianareo no nantsaka? Tary amin’ny dobo tary!
Ny belle de jour dia tsy azoko afenina fa tena ambony a!
Ary manalasala ny fiandrilavenona mody somony ééé!
Mpanjakan’ny hazo ireo telomiova fa toa hafa foko (hafa foko)
Tokana kosa ‘lay tena tsy miova ‘lay voninavoko!
Ao re ny lisy madio sy miredon’ireo mpanambady é!
Na verivenina na violet mijoro toa kiady ééé!
Ireo mavokely , ‘reo dalià samy manana loko (manan-doko)
Fa tiako loatra ary koa tia ahy ‘lay voninavoko!

Johary (Medley Dadagaby).
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : 313
Vangy : 3125
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : toubib
Daty : 02/09/2017 09:23
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1868