Number One (18.2)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Allo !

- Hi, love

'Zay feo izay mihitsy no tiako ho re
Tiako raha eo foana izay hampiakatra degré
Dia hifampizara secret

- Dia ny love-ntsika ho secret ?

Oh yeah, ekena
Tsy sôra ka mora borquer-na dia raha comparer-na

- Hoe maninona?

Ndry hitako hoe tsy mitovy amin’ireny joba mihodina ohatran’ny compas ireny
Ny ohatr’ireny omeko ny ompa reny
Ompa, ompa
Ny an’ireny tsisy afa-tsy handrobaroba kofiboay

- Ny ahy aminao ihany ny foko no mitepo

Ny ahy aminao ihany ny masoko no tiako hitopy
Ny love tiako hitombo satria io love io tiako hitombina
Dia tsy tiako loatra ny taitaim-baombina

- Zah akia tsy mibaombina

Okay, ny ahy indry ihany, miandry vasoka eo izay miandry any

- Ny ahy indry ihany akia tsisy hanihany

Tsisy mahasolo anao, ianao ihany no mahasalama ahy, manome hafanana
Ny eo anilanao hafa nama a,
Ny eo akaikinao no mahasalama ahy
Kiffer-ko
Zay kozy masiso mihodina any ambadika any niquer-ko

- Aza atao handrava akia fa ny ohatr’izany efa reko

Ny manodidina koa kôpy hoe ianao ihany no reveko
Dia ny ahy kiffer-ko hoe tsy mihafahafa raha misy blèm
Clean, tsisy bilao amin’zay voatazona ny tandem
Tsy hatreo amin’ny orona ny fijery, ny saina hanakatra ny tsy hita
Satria tsika mihoatra lavitra andr’i Chita
Dia iny tsikinao mamy mamiratra,
Misoritra eny amin’ny tavako vao maraina iny ny masoko no mihiratra
Dia ohatran’ny hoe mihira hatrany amin’ity tsiky tsy mety ôla
Satria ny ao am-po manonja ohatran’ny ôla…

- Ianao ilay Number One

Ianao lay Number One
Ny ahy tsy andriko indray izay hifampizarana fitia anaty lambaoany
Ohatry ny elanelan’ny tany sy ny lanitra ny haben’ny fitia
Ianao ihany dia kôpy hoe fifty-fifty

Number One, Number One…
Ianao lay Number One, Number One…

Allo ! k’aiza k’aiza ? inona akia chérie ny vaovao ?
Hatrizay zaho tsisy crédit dia zao vao point dia miantso anao

- Dia ahoana ary e ? dia nalahelo be zany ?

Nalahelo koh, fa satria zah misy fo miaina eto an-tany
Fa ahoana, ianao angaha tsy mba tamin’izany ?
Sa tsisy kôzy fa vita fotsiny amin’ilay hoe aleo izy ho any ?

- Ountsss, aza mila ady eo moa re Poupou a

Tsy mila ady aho fa tairo, mba itorio fitiavana aho
Ataovy henoko tsara satria ianao tsy tazana

- Aza mananihany eo kah ! mba matotra !

Okay ary e ! Entanim-po be loatra tsinona
Satria faly mitafa fa te hitafy ny hafananao
Lay endrikao mba tiako ho hita izao raha azo atao, raha sitrakao
Satria ny love-ko efa lasanao

- Dia…

Aoka aloha fa zah nge mbola hiteny e,
Manapa-teny manapak’aina nge ry neny e

- Azafady ary e ! Ka zah zany tsy hiteny mihitsy ?

Avy eo ianao mikôzy fa mba henoy aloha izay ato am-poko
Izaho malahelo, manirery, mitoloko
Nefa tsisy azoko atao satria ianao lavitra ahy
Ny foko midoboka, mitebiteby, miahiahy
Ireo tambitambinao ilaiko mba handrotsirotsy ahy
Chérie a !
- Ahoana ?
Fa aiza ianao io izao ?
- Mibôsy aho.
Mibôsy aiza ?
- Aty amin’ny namako kah.
Vavy zany sa lahy ?
- ... lehilahy .

Oay lé, sao mba tsy rariny, fa ahoana izany
Sao dia fika nofa izany fa ataoko mannnjaman...
Kayah ny anarako raha sahiny

- Poupou a, aza mieritreritra an’zany ianao.
Ny hasarotam-piaronao mba lanjalanjao kah

Ka tsy tiako fa tsarovy ity dia aza odianao fanina
Reveko ianao, Grob !
Amiko ianao Number One

Number One, Number One…
Ianao lay Number One, Number One…
--------
Rohy:
Hevitra
hery ( 14/06/2020 11:24)
Fa ny tonon'itony kosa tsy oh azo mihitsy raha tsy ny mpamorona azy no manome an
Manaraka tsy mijery tononkira aho fa e e e
ikalamako ( 14/06/2020 11:38)
ka zay mihitsy, nanoratana mihitsy lery tamin'izany hoe tena mba omeo ny tonony fa tiako loatra ilay izy, ary tena tiako ho azo izay lazainao ao.
Ajnal ( 12/02/2021 18:44)
Fa tsara aloha lay izy na izany ary e! Fa sarotra arahina an.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : 18.2
Vangy : 2891
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 14/06/2020 09:51
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111