Soa ny manan-kavana (Lolo sy ny tariny)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ary metimety ro ny manan-kavana
Raha manam-bola mana-taratasy
Ary manan’omby  ary manan-kena
Manan-tanimbary manam-pitafiana
Tsa misy tahakin’ny mana-kavana e

Nilefalefa rafokonolona  fa tonga ny vazaha sonagaly eee

Raha metimety ro ny manam-piara
Ary manam-piara tsy  mba mety tara
Ary manam-piara mahita vady
Ary manam-bady matory tsara
Tsa misy tahakin’ny manam-piara e

Nilefalefa rafokonolona  fa tonga ny vazaha sonagaly eee

Ary metimety ro ny manam-basy
Ary manam-basy manan-kery
Manan-kery mana-tany
Manan-tany mana-panjakana
Fa manan-tsoa ary mana-kavana e
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lolo sy ny tariny
Vangy : 3678
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : bhiaulat
Daty : 25/02/2009 09:42
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0546