Indray andro (Rakoto)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Indray andro any angamba dia mety ho tody izahay any an-tanàna
Nandeha ny resaka izay nahita ka dia tena lasa manimanina
Fiainana mitohy, tanora nahita zava-maro tamin’ny lalana, tsy mitovy avy zany
Ny ora sy ny andro, ny volana sy ny taona dia misosa misosa ihany
Fiainana mitohy, tanora nahita zava-maro tamin’ny lalana, tsy mitovy avy zany
Ny ora sy ny andro, ny volana sy ny taona dia misosa misosa ihany


Zahay lasa jamba fa efa ela tsy niverina teto an-tanàna
Ka mitady tanana mba hitantana ity namana
Azafady rey olona raha tsy manahirana anareo fa tsy hitanay ity lalana aleha
Very mantsy zahay tam-povoan’ity arabe, ka mba atoroy kely indray mandeha
Azafady rey olona raha tsy manahirana anareo fa tsy hitanay ity lalana aleha
Very mantsy zahay tam-povoan’ity arabe, ka mba atoroy kely indray mandeha

Indray andro any angamba dia mety ho tody izahay any an-tanàna…
--------
Rohy:
Hevitra
dina4 ( 28/11/2016 09:27)
a chaque fois je pleure et je porte mon ambohimiadana dans le coeur. Mankaitraka an dRakoto tamin ity hira ity é! tena nahatonga ahy mafy hifikitra amin'ny tany niaviako an! TIKO BE ENAO
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rakoto
Vangy : 17348
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : tokynat
Daty : 22/10/2009 15:33
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115