Tsy mbola niova (Joy K)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(Iarahan’i Tovo J’hay sy Joy K)

Rehefa ho avy ianareo androany
Dia mba hisinda indray ny tomany
Lay fo mibitaka angamba tsy ho tana
Fa tonga izahay hanome hafanana

[Ref]
     Fa tsy mbola niova
     Hatrizay
     Lay fitia izay nomena anay
     Fa vao mainka
     Nitombo vaika
     Lay doboky ny fo ho iray

Tanantsika hifanantona indray
Hifanakaiky ny fo sy fanahy
Fitiavanareo mipetraka foana
Na dia tsy eo aza izahay manoloana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Joy K
Vangy : 3678
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 16/12/2002 12:20
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012