Fitia (Hosea Marlyn)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sarotra amiko
Ny hilaza fa
Misy hafa tia ahy
Tiako koa...

Fa ianao ihany
Miverimberina
Tsy misalasala
Manadala ahy...

Efa fahazarana ianao
Manamora ny fiainako
Fahanginana mifono
Hasambarana tsy foiko.
Efa fahazarana ianao
Manamora ny fiainako
Fahanginana mifono
Hasambarana tsy foiko.

Ianao ilay trano mahamanina ahy
Rehefa an-tanin'olona aho
Mivezivezy
Mahatsiaro ho irery

Manatsara ny andro ratsy ianao
Isika roa, izao tontolo izao
Tsy mila resaka
Eto aho tsy reraka.

Efa fahazarana ianao
Manamora ny fiainako
Fahanginana mifono
Hasambarana tsy foiko.
Efa fahazarana ianao
Manamora ny fiainako
Fahanginana mifono
Hasambarana tsy foiko.

Efa fahazarana ianao
Manamora ny fiainako
Fahanginana mifono
Hasambarana tsy foiko.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Hosea Marlyn
Vangy : 2377
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 17/06/2023 09:07
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
Hirany hafa
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162