Ilay hatsaranao (Mirado)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Toy ny nanonofy ihany aho
Raha nahita anao indray andro izay
Saika tsy afa-po mihitsy aho
Fa toa nisarika hatrany nijery anao
Tsy afeniko fa tena nanaitra ilay fijerinao
Indrindra koa fa noravahan'ilay tsiky kely izay
K’aza omena tsiny aho
Raha toa nanoratra izao hira izao
F’ilay eritreritra izay nanaraka ahy
Tsy nety rava nanainga fanahy
Nametsovetso ny fahitako anao
Naka sary an-tsaina ilay hakantonao
Mikalo sy mamisavisa sisa azoko atao

REF:Tsy ho adinoiko velively
       Tsy voafafa na oviana na oviana
       Ato an-tsaiko ilay fijerinao
      Ato an-tsaiko ilay fitsikinao
      Toy ny fitomboka izay tsy afaka intsony
      Fa mitoetra

Toa ny nanonofy ihany aho
Raha nilazanao indray andro izay
Saika tsy nino mihitsy aho
Hoe ianao izao no nahavita izao
Ekeko fa ananao ny bika sy ny endrika
K’izany koa angamba no naha-be
Ny mpitsiriritra anao
Olombelona ihany moa ianao
Ka na be aza ny fitiavanao ahy
Rehefa tojon'ilay "mahay azy ianao"
Niova ihany ka lasa nandao
Ka lafy ratsiny nahitako anao indray
’Lay hatsaranao raha toa izany...
Mikalo sy mamisavisa sisa no azoko atao

REF:Tsy ho adinoiko velively
       Tsy voafafa na oviana na oviana
       Ato an-tsaiko ilay fijerinao
      Ato an-tsaiko ilay fitsikinao
      Toy ny fitomboka izay tsy afaka intsony
      Fa mitoetra

      Tsy ho adinoiko velively
      Tsy voafafa na oviana na oviana
     Ato an-tsaiko ilay toetranao
     Ato an-tsaiko ilay natao ahy
     Toy ny fitomboka izay tsy afaka intsony
      Fa mitoetra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mirado
Vangy : 20123
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : biz
Daty : 05/10/2007 18:06
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115