Lokaloka (Ilay Sitrako)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy hanadino anao aho raha tonga ny harena e,Tsy hanadino anao aho na be volamena e,
Hatao ahoana e Jeso no fiaina ts’isy Anao
Fa banga ny ao am-po raha lavitra Anao.
Tsy handao Anao aho raha tonga ny tiako,
Tsy handao Anao aho raha to izay niriako,
Hatao ahoana e Jeso no fiaina ts’isy Anao
Fa banga ny ao am-po raha lavitra Anao.
Misy ireo toa hoe manara-dia Anao nefa avy eo dia miala,
Misy ireo mafana eny am-boalohany nefa avy eo dia miala,
Fa ny ahy ny hirahirako, fa ny ahy ny lokalokako
Dia izao ihany, dia izao ihany:
Tsy hanakalo Anao aho rehefa tafita e,
Tsy hanakalo Anao aho na tonga eny ampita e,
Hatao ahoana e Jeso no fiaina ts’isy Anao
Fa banga ny ao am-po raha lavitra Anao.
Tsy hanaratsy Anao aho raha sendra fiafiana e,
Tsy hanaratsy Anao aho na koa tsy fisiana e,
Hatao ahoana e Jeso no fiaina ts’isy Anao
Fa banga ny ao am-po raha lavitra Anao.
Izay no hirako sy lokalokako:
Ny ho eo akaikinao no mahatsara ahy.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Ilay SitrakoVangy : 1797
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Onesimus
Daty : 14/04/2016 20:45