TANIMANGA (Tselonina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
TY Tanimanga ô naton’ny zaza kiombiomby
Ny zanaky ny ampiampy,ty tandrony no vita aloha
Ty tanimanga ô,natoan’ny zaza kiombiomby
Ny zanaky ny mosarena,ty trafony no vita aloha

Zay kibon’ny omby tsy efa
Zato tandroka sy trafony tsara tefy
Zay kibon’ny omby tsy efa
Dia maina ity tany e_tsy vita ny omby


TY Tanimanga ô naton’ny zaza kiombiomby
Ny zanaky ny ampiampy,ty tandrony no vita aloha

Ty tanimanga ô,nataon’ny zaza kiombiomby
Zaza tia maniratsiratsira,ty rambony no vita aloha
Ty tanimanga ô,nataon’ny zaza kiombiomby
Ny zaza be voton’anatra,karavasiny no vita aloha

Zay kibon’ny omby tsy efa
Karavasy sy Rambo tsara tefy
‘zay kibon’ny omby tsy efa
dia maina ilay tany tsy vita ny omby


Ty tanimanga ô,nataon’ny zaza kiombiomby
Ny zaza be voton’anatra,karavasiny no vita aloha
Ty tanimanga ô,nataon’ny zaza kiombiomby
Ilay zanaka mpanankarena,ny volony no natony aloha
Ty tanimanga ô,nataon’ny zaza kiombiomby
Ilay zazalahy sadikadika,ny voany no vita aloha

Zay kibon’ny omby tsy efa
Zato vala sy ny voany tsara tefy
‘zay kibon’ny omby tsy efa
dia maina ilay tany tsy vita ny omby


Ty tanimanga ô,nataon’ny zaza kiombiomby
Ilay zazalahy sadikadika,ny voany no vita aloha
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tselonina
Vangy : 4762
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 28/01/2005 17:21
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119