Hitalahoako (TOVO J'HAY)

Mpihira : TOVO J'HAY
Mpamaky : 2044
Nampidirin'i : Oullias
Tamin'ny : 24/12/2002 17:34:29
ID : 1350

Ny ditra tsy mendrika nataonay
Ifonako Aminao
Ny toetra anaty tsy sitrakao hatramin’izay
Tiako hiova izao dia izao
Miandrandra Anao aho androany
Ka latsaka mitomany

Mitady Anao, miantso Anao
Efa reraka ny saina
Ka miangavy, mitalaho
Aza avelanao hangaina

Ny fiainana tsy mety vitanay tety
Tsy miafina Aminao
Ny fahotana ‘zay miseho etsy sy ery
Apetrako an-tànanao
Ny tontolo misy anay
Rotika milomay

                          


                          Atolotra am-pitiavana ny MPANKAFY
24/12/02

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo