You are here: home > Tononkira > Rija Rasolondraibe

Tsara foana (Rija Rasolondraibe)

Resy lahatra tanteraka aho fa ny Andriamanitro mahery
Izaho tsy miala Aminao fa Aminao irery
Anatin'ny ady, heriko
Raha resy aho, Izy no onena
Izay no averimberiko asahiako manantena

Ny Famindrampony, ny Fiantrany
Ny Fahasoavany, ny Hatsarany tsy ho lany
Fitia tsy misy farany
Ny halehiben'ny Anarany tsisy ohatr'izany
Fa vaovao, isan'andro vaovao
Na inon'inona fotoana, TSARA FOANA

Nananananatononkira.serasera.org.....oh oh

Raha sendra oram-baratra e
Rivo-doza ve manambana e
Ny Tanany ampinga lehibe
Tsy maintsy aleha
Raha mila ho reraka ny saiko,
Rofirofin'ny toloko e
Izao no averiko lazaina ao am-poko

Ny Famindrampony, ny Fiantrany
Ny Fahasoavany, ny Hatsarany tsy ho lany
Fitia tsy misy farany
Ny halehiben'ny Anarany tsisy ohatr'izany
Fa vaovao, isan'andro vaovao
Na inon'inona fotoana, TSARA FOANA

Nanananana.....oh oh...


Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Rija Rasolondraibe
Mpamaky : 2896
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : nomenasoa220
Tamin'ny : 13/04/2018 15:14:44
ID : 10544

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo