io ilay zanakao (Rija Rasolondraibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ray o ! Io ilay zanakao
Fa nohomboina ny ho eo amin’io hazo io
Renao ny feony, sy ny toreony ; miantsoantso Anao
Rotika ny fanahinao
Ny ranomasonao efa ora firy izao
Izy mitaraina, Jesosy miala aina ; imasonao

Ref : Vaky fo ny Ray mandre kiakiakan-janaka
Rovitra ny ainao fa nahafoy anaka
Jesosy niantso anao nefa navelanao toy izao
Nomenao ho vonoina, nafoinao nohomboina

Tsy ho aiko hoe hatraiza izay vitanao
Tsy tratry ny saiko ny fitiavanao
Hazavao fo, hahay handanjalanja koa ; izay vitanao

Ref : …

Ray o ! Soraty ao am-poko ao
Hay zava-doza izao famonjena izao
Mifona any aho, omeo fo vaovao ; manaiky Anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rija Rasolondraibe
Vangy : 4074
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : kln_rab
Daty : 19/09/2014 22:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0731