TSY MENATRA (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Toa lany henatra efa tsy menatra e!
He izato ianao mbola mizahozaho
Kanefa hita anie f’efa vita hatreo
Raha ny momba anao fa tofoka aho
Toa lany fahendrena mihenahena
Efa tsy tiana tsy mahay mangina
1-Ny tenanao aza tsy omenao haja
Ka nahoana izaho no hihaino anao

2-Sao dia heverinao
Ho very fanahy toa anao anie aho


Reo hadalanao tsy niafina tamiko
Nihafy ihany aho,maika ianao e!
Nihamafy fo
Eh!eh! Fay lany andro aho
Niandry anao mba hiova hay moa
Tsisy fetra ny setrasetra toa zary toetranao


Teo hatrizay e!tsy hita izay mba vitanao
Raha ny toky efa voky ny resakao aho
Eh! eh! fay ampy izay
Tsaratsara tsy miaraka
Avelao aho hanatsara ny fiainako sy ny ho aviko.

Auteur : POOPY
COmpositeur: NAIVO
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Poopy
Vangy : 3468
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Manitra Ratsarazaka
Daty : 17/12/2002 21:09
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0123