Tsy ahita (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mitadiava ianao
Mandritra ny fiainanao
Tsy hadalainao raha izaho
Fa tsy hahita akory ianao
Olona iray nitia anao tahaka ahy
Mbola tia sy ho tia anao

Tsy hisy hahafoy
Toy izay nomeko anao
Na afaka hanambara
f’izaho ho leo anao
Mitombo isanandro ny fitiavako anao
Ny omaly resin’ny anio

Tsy hihazona anao aho
Satria tiako hahita ianao
F’izaho irery no mbola tena tia
Fantatro fa tsy hahita any ianao

Tsy misy hanam-po
Ny haben’ny foko tia
Hafoiko hatramin’ny aiko
Raha ilaina ho anao
Hanam-paharetana aho
Izaho irery no hahay
Hahazaka ny tsy mety ataonao

Source: http://www.multimania.com/schmilblik/fitia.html
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Poopy
Vangy : 12390
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Heriniaina
Daty : 21/10/2001 23:10
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0557