Mamindrà fo amiko (Ny Nanahary)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mamindrà fo amiko
Fa reraka aho
Sitrano aho
Fa mihozohozo
Ny vatako

Miverena amiko
Afaho ny fanahiko
Vonjeo aho noho ny
Famindram-ponao o o i e

Tsinjovy ny fahoriako
Ianao no fifaliako
Ka mihainoa
Ny feoko
Ianao no itokiako
Todio aho
Ka hamindrao fo
Irery ka mijaly
Ny fahorian’ny foko
No efa mandrerak’ahy o o i e

Efa sasatr’aho
Ka misento nony alina
Lanin’ny alahelo
Ny masoko
Vonton’ny ranomaso
Ny tavako
Noho ireo mampahory ahy
Mamindrà fo amiko m m m

NY NANAHARY
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Nanahary
Vangy : 12493
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Randriantseheno Linah Désirée
Daty : 26/05/2003 06:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0726