Halalao ny fonao (Mr Sayda (Misié Sayda))

Madio sy manga ny lanitra
Feno Voronkely ee
Mihirahira finaritra
Fifaliana no mihely ee
Hoantsika Ambanilanitra
Tena mbola mahery ee
Hisaorantsika Andriamanitra
Samy tratrin'ny Asaramanitra
Samy iray tsika fa Malagasy e
Iray Aina no iray Vatsy e
Hifandray tanana mba hampandroso ny firenena fa tsy hifanaratsy e
Politika avelao... ianao izao namany izaho namanao
Miara mandroso fa niara natory
ka miara mifoha izao dia miara manao

Refrain
Tairo mba miara manao... namako oh
miara manao... namako oh
miara manao ... namako oh
Halalao ny fonao
Ny satononkira.serasera.orginao aza terena
Mino aho fa efa hainao
Ny fahasamihafana no harena
Fa tokontany be i Gasikara
Tsy mifanambany fa samy tsara e
Mifanampy... mifampizara
Samy mpokona eto Manakasintsara ee

Fa isika no lova navelany e
Manohy ny tantara
Ka rehefa samy mba mandova ihany
Tsy aleo ve tohizana tsara?
Fa ny fo mahay mamela
Nefa mahatadidy e
Tsy ho ny ngidin'ny lela no ampadovaiko ny faramandimby e

Fa sourira tsy miavona e
Soa soa madigna ee
Fa n'aiza n'aiza niaviny e
Tsy mba manavaka fa havanay (x2)

Refrain
Madio sy manga ny lanitra ...
Refrain


Tonony sy feony : Mr Sayda

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Mr Sayda (Misié Sayda)
Mpamaky : 4765
Mpakafy : 2 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 19/09/2016 10:10:12
ID : 8844

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo