FANIRIKO (Mpitory)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ray ô! mba faniriko raha toa ka sitrakao
Ny handova lanitra aho dieny ety an-tany
Kanefa tsy izaho irery f’ireo izay mino anao
Hiaraka amiko hatrany hatrany

Endre ty fiainanay anilan-dRay ny Tompo iray fanahy iray
Hiraisana avokoa reo asa soa iray ny fo iray ny loha
Ray ô! Nahoana moa ê!
Raha atomboka anio!
Ray ô! mba faniriko raha toa ka sitrakao ny ho zanaka manoa dieny ety an-tany
Hilofo hatrany koa hamita ireo asanao
Ka tsy hirehareha fa hanetry tena

Endre......

Ny Mpitory
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mpitory
Vangy : 3159
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 26/07/2002 16:28
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735