Ikotofetsy sy Imahakà (Maurice Razafy.)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Indray andro izany hono,
Fahagolantany,
Nisy roa lahy,
Tena mpamitaka gaigy lahy,
Izay nandra no maty betsaka.

Angady mondro sy reniakoho
K’izay mananda no resy
Fa Ikotofetsy sy Imahakà
Dia  tafaray samy fetsy
Inona no hevitra mba nataony nony injay tafahaona
Ndao isika hiara-hiasa tsy hisy izay ho noana.

Indray andro izany hono, teny an-dohasaha
Dia niara-dia Ikotofetsy sy Imahakà
Fa Imahakà, ondrin’olona no nobatainy
Kanjo tratra izy ka izao no mba nolazainy
Ny hangalatra lay ondry, hono, tsy mba tao an-tsainy
Fa ny lanjany fotsiny, hono, no hany mba hotsapainy.

Indray andro izany hono
Fahagolantany
Nisy roa lahy
Tena  mpamitaka gaigy lahy
Izay nandra no maty betsaka

Dia nanao fatidrà tamin’ny hafetsena
Sy ny toetra ratsy izy ireto
Ka ny olona sendra azy tamin’izany
Raha tsy mitomany dia misento
Fa izy raha miaraka isan’andro
Dia tsy mitsaha-misoloky
Ka na miasa na tsy miasa
‘Zareo  tsy maintsy voky.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Maurice Razafy.
Vangy : 2399
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 31/01/2015 23:16
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108