You are here: home > Tononkira > Kiaka

Fitia nindramina (Kiaka)

Fotoana vitsy monjy ihany anie
no noferanao ho ahy mba ho anjarako
Ilay fitia tao am-ponao hatrizay
Tsy navelanao ho ahy mba ho fananako


Hasambarana fohy no niainako
Tsy mba nahitako izay nahasoa
Fa ny faniriako ny ho anilanao
K’anefa tsy mba nirinao

Fitia nindramina avy antononkira.serasera.orgy aminao
No niainako hatrizay  hatrizao
Nefa toa navelanao toa izay fanaonao
Fitia nindramina avy any aminao
Fiainana vaovao lava izao ny anao
Nefa izany ve no atao hoe hasambarana

Tsy tsapanao tokoa mantsy fa
Ny fitiavako tsy niala taminao
Ilay foko tia tsy nety niova
Toa nanjary kivy nohon’ny nataonao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Kiaka
Mpamaky : 6248
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Cathy
Tamin'ny : 11/02/2003 14:37:15
ID : 1437

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy