Tiako tena tiako (Do Rajohnson)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izay nomeko
Dia fitia marina tokoa
Fa tsy notereko
Fa dia niainga avy ao am-po.
Ka azo omena tsiny aho
Tsy hoe faly hahita vaovao
F'efa ao am-poko sy mamiko loatra tokoa ianao. (x2)

REF:
Tiako ianao, tena tiako
Ny ho eo anilanao mandrak'izay
No faniriko
Na mbola ho lavitra aza
Ny lalan-tsika
Na ho sarotra izany
Ho diavin-tsika hatrany.

Ireo fisedrana ho reseko
Eny na mahavaky fo
Tsy ho sanatria fahalemeko
Fa ianao no efa ato an-doha
Ka ireo tsiny mety ho azoko
Tsy haarara ny fitiavako
Fa ianao no hany tiako mba hitoetra ho ahy ho doria.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Do Rajohnson
Vangy : 3266
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 25/09/2018 13:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0784