Ranom-pahoriana (BUDDHA EL TAGA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
De zary tsy ifanaretsaka tsuny ny tontolo noho ny famoizana fa ny zava-nitranga tsy nampoizina
Loza tonga tampoka tsy nampandre, ra mikoriana manenika ny arabe
Lahatra sa vitan-dratsy voasorata mialoha ve tsy aiko, fa voantso aloha ny ambiroa de lasa
Ny vatana sisa tavela itomanian’ny velona
Sarotsarotra ihany ny hino ra ny hafa no nahatonga ny fandevenana
Tsy ho tazana eny amn’ny lanitra tsony ny kintany mpiahy azy fa maty tsikelikely mandra-piandry ny fiakarany
Fa ny fanahy no anolo toerana itsinjo ny velona, dia ihira ho azy ny anjely
Ka zay feo zay no fanilo hanazava ny lalany maizina feno savorivory tety
De dou dou dom-baravaran’ny lanitra ny azy, tsy nila niangavy fa tsara fiana ka nisokatra ho azy efa ela ny tontolon’ny le zaridaina mahafinaritra
Na paradisa na ze tiantsika iantsoana azy tsy maninn fa refa tonga any izy, amihana an’reo rehetra efa lasa taloha
Ka amafiso ny saina de tounio ny fo, de minoa fa any ho any izy mahita ny soa
Lay zavatra notadiavintsika teto hatram’zay fa tsy mety azontsika angamba, fiadanana, fandriampalemana, fitiavana, filaminam-panahy
De mitohy iany aloha ny fianana an-tany dia lasa tsy nana-danja intsony zany ny datin’andro nahaterahany fa ny tsingerin-taonam-pahafatesany no ho vesarina
Dia tsy iray minitra fahanginana fa taon-jato pahatsiarovana an’lay voninkazo lavo, voaosiosy alohan’ny izy nalazo
Nivalona hatreo ny tantaram-pianany de nangina tao ny efin-tranony babangoana tsy aharenesana intsony feo
Tsy ahitana intsony ny dia tongony reo saribakoly mpiara matory aminy ary nangatsiaka, mandrin-rery manirery de rediredy fa tsy ikombona tsouny angamba ny fery
Dia navadibadika ny boky mirakitra ny sariny nofihinana mafy mba itamberina ao an-tsana ny lasa napetrany sy zay rehetra fiarahana taminy tam’founy izy velona
Mavesatra ny milaza izany ka tomany, tomany hatrany
Fa ray aman-dreny namoy zanaka , fianakaviana namoy havana , olon-tiana namoy olon-tiana
Fa lasa izy tsy iverina, ny veloma tsy vita teto any ankoatra ngamba no ifanomezana fa tsy maintsy mbola ho avy ny andro ifanenana
Any ho any ndray androany ahitana ny marina rehetra, fa mpivahiny izy teto, ty tanin’ny olombelona ty tsy taniny fa fohy ny tantarany, tsy nihotra ny 17 taona
Asa izy zay ra mba nahita maminy.
Atolotra ho an’reo rehetra efa namohy, atolotra ho an’reo zay nahafohy
Atolotra ho an’zay rehetra mbola manantena, atolotra ho an’ny retraretra
Dia raha manontanty ianao hoe ahoana ny fomba nahafatesany, dia ho avaliko aminao hoe feno fitsikiana ny fiainany, feno fahasambarana saingy indrisy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : BUDDHA EL TAGA
Vangy : 1857
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : BuddhaElTaga79
Daty : 23/03/2018 08:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1902