Mentalisme 2 (BUDDHA EL TAGA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
BUDDHA EL TAGA

yeah, O ry tany é, afaka miresaka aminao ve za androany?
tsisy fanontaniana fandrika fa Siddhartaga ihany no manontany é
hoe: ilay tontolo tsara tarehy nasaiko namboariny zay ve mbola ao?
fohazy izy ra matory fa zao ankehitriny zao izy de hoentiko ao
fa io no edena vavao
edena natsangany tamin'ny tanany dia izy zany no tompony
dia 'lay voaloboka novoleny tao aoka izy irery ihany no hioty ny vokany
izy efa ao, za efa ao
tsy ho vitantsika ny anao adama sy eva irery ao
fa andao ilay tontolo asiana olona hafa
aleo izay rehetra nosomparana ny faniriany no ampidrintsika fa zay ihany angamba no mety ho zaka
nofinofy ririnina hozy ny olona
fa iza moa no tsy mba mananonofy
ary lazaiko aminareo marina fa ity tany ty dia mbola vita tamin'ny nofy
ary ny saiko no mpandrafitra
ary zay zavatra rehetra vitako tao, afoiko ho anao
fa sao dia am farany fangalana sarin'ny hasambarana ianao irery no tsy mba ho tafiditra ao


REFRAIN / ROY RAKOTO

aza avela ho nofy zay fikasanao omaly
fiainana mandroso , mila miatrika miomana
fianana mistery , fiainana mistery
ny ambadiky ny ampitso mety anova fomba fijery
fianana mistery, fianana mistery
efa tsika ny ho avy fa miarena ra mianjera
fianana mistery, fianana mistery
efa eo an-tananao ny ho avy f'aza avela


BRIDGE

Andriamanitra fanahy
ny tontolo rehetra mentaly
izaho ianao iray ihany
tsy ela ny fanombohana dia tsy ela ny fiafarana

ROY RAKOTO

aza avela , aza avela , aza avela ho nofy ireo fikasana
aza avela ho nofy, aza avela ho nofy ireo fikasana


REFRAIN / ROY RAKOTO

aza avela ho nofy zay fikasanao omaly
fiainana mandroso , mila miatrika miomana
fianana mistery , fiainana mistery
ny ambadiky ny ampitso mety anova fomba fijery
fianana mistery, fianana mistery
efa tsika ny ho avy fa miarena ra mianjera
fianana mistery, fianana mistery
efa eo an-tananao ny ho avy f'aza avela


DOUBL'E'NN

Dia ty koa misy sarin'na tontolo tsara tarehy (tsara tarehy be)
ety ivelany nasiako masoandro, volana ,kitana, planeta, galaxie
nasiako tontolo parallele fenoiko univers be dia be
nasiako an 'lay fahazavana voalohany satria zay ny inspi
dia androany asiako varavarana misokatra eo anelanelan'ny eritreritra
idran'ny kozy anisy ranomasina enty am'ny tany efitra
dia iny fa bataina ny paradisa ho any amn'ny helo
dia avia fa aty mivadika hasambarana ho azy ny alahelo
isika samy zanahary naka ny traikefan'ny fianan'olombelona
dia kopy ny tsara sy ratsy, maty , velona
dia ny fahaterana lasa fiafarana ny fafahafatesana lasa fanombohana
dia n'inoninona mitranga aleo tsisy inoninona atao manafintohana
satria tsisy milay no zao fotoana ankehitriny zao
zay ianana milay mba ampilamina ny lasa, hanatsarana ny ho avy
zany anie lay hoe antsika zao tontolo zao, dia voninahitra ho an'ny travy


REFRAIN / ROY RAKOTO

aza avela ho nofy zay fikasanao omaly
fiainana mandroso , mila miatrika miomana
fianana mistery , fiainana mistery
ny ambadiky ny ampitso mety anova fomba fijery
fianana mistery, fianana mistery
efa tsika ny ho avy fa miarena ra mianjera
fianana mistery, fianana mistery
efa eo an-tananao ny ho avy f'aza avela

OUTRO/ ROY RAKOTO
izao sy ianao iray ihany , mitovy ihany
mitsiky mitomany na misy ambony na misy ambany
na misy ranomaso, na mahery aza ny ankaso mbola tsy maty ilay afo
ahirato herin'ny masonao , ity izaho namanao
samy miaina manantenana , mitovy ihany
iray ihany , izaho sy ianao iray ihany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : BUDDHA EL TAGA
Vangy : 3004
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : BuddhaElTaga79
Daty : 23/03/2018 08:19
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1278