You are here: home > Tononkira > Aron Mahandry

Misaotra Anao (Aron Mahandry)

Ray ô,misaotra Anao zahay
Fa noho ny fitiavanao no nahatoy izao anay
Ray ô,Misaotra anao zahay
Fa mbola notahianao ka velon'aina indray

Isaoranay anao izany ry Ray
F'Ianao lay be indrafo
Atolotray ho anao ny fo fanahy
Atolotray ho anao ,ho anao tokoa

Ray ô,fa be fiantra Ianao
satria notahianao zahay mpanomponao
Ray ô ,lay be fitiavana indrindra
Misaotra anao manerampo ,erantsaina sy fanahy

ka indro atolotray ho anao ny saotra
ho antononkira.serasera.orgao lay Ray tsitoha
Izay rehetra anananay atolotray
ho anao ho anao tokoa

Ray ô,misaotra Anao zahay
Fa noho ny fitiavanao no nahatoy izao anay
Ray ô,Misaotra anao zahay
Fa mbola notahianao ka velon'aina indray

ka indro atolotray ho anao ny saotra
ho anao lay Ray tsitoha
Izay rehetra anananay atolotray
ho anao ho anao tokoa

Ray ô,Misaotra anao zahay
(Fa mbola notahianao ka velon'aina indray)3

                    Aron Mahandry
                   Desambra 2017

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Aron Mahandry
Mpamaky : 224
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Mahandritiana
Tamin'ny : 07/04/2018 10:08:15
ID : 10534

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo