You are here: home > Tononkira > Aron Mahandry

Ianao irery (Aron Mahandry)

Vao mifoha maraina aho
Dia ianao no ato an-doha
Toa mahita ilay endrikao
Miramirana tokoa
Ka lasa saina aho indraindray
Mieritreritra
Hoe ianao ve mba mahatsiaro ahy
fa raha izaho kosa aloha
Isa-minitra,no manembona anao


Ref:
Fa ianao irery
No masaka ato antsaiko
lay tokana lalaiko
lay voafidy
fa ianao irery
ianao re no tiako
iaraka amiko
hifankatia mandrakizay

Dia sahiko nTsiky dia ampyy hilaza
Izaho tsy handao anao izany
Na inona mihatra
Na inona miseho eto antany
K'atolotro anao ny fo
Ho anao avokoa
Izay rehetra ananako
Ho anao r'ilay malalako
lay tiako
Afoiko anao avokoa

Ref:
Fa ianao irery
...............
...............
...............


(Hifankatia manfrakizay)2

                                             Aron Mahandry
                                         14 febroary 2018

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Aron Mahandry
Mpamaky : 293
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Mahandritiana
Tamin'ny : 07/04/2018 10:07:12
ID : 10532

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo