MATOA (ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Matoa izaho sy ianao
Nandao izao tontolo izao, sady nitia
(Sy mankafy ny mpamonjin'ny mania)
Aza manao mody tia, rehefa tia dia tia
Aza misy izay miverin-dia

Ho aiza anefa raha toa ka hilefa
Anao izahay ry Jesoa
Mitebiteby, angamba ho bedy
Ity mpanompo kelinao
('Zay vao natsapa)
Izay vao natsapa, f'Ianao no mpanjaka
Raiso ho Anao ny laka
Tokana ihany no safidy
Hovoaiko ho Anao ny fo mihidy

Manadainga izay afapo
Amin'izay mety lo fa ao Aminao
(F'ao Aminao no tena soa dia soa)
Raha lavitra manina, izay laozanao fanina
Tsy hita izay ho vantanina

Ho aiza anefa raha toa ka hilefa
Anao izahay ry Jesoa
Mitebiteby, angamba ho bedy
Ity mpanompo kelinao
('Zay vao natsapa)
Izay vao natsapa, f'Ianao no mpanjaka
Raiso ho Anao ny laka
Tokana ihany no safidy
Hovoaiko ho Anao ny fo mihidy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA
Vangy : 812
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : zeea
Daty : 01/08/2018 10:33
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728