You are here: home > Tononkira > AMPIFITIA

Raha ny fahalalako Anao (AMPIFITIA)

1. Raha ny fahalalako Anao ry Jesosy ô!
Dia be fitiavana, be fandeferana
Tsy tia ady, tsy mavandy, tsy manavaka Ianao
Tsy mitovy aminay mpianatrao

Raha ny fiainanay mantsy ry Jesosy ô!
Tsy misy miafina eo Aminao
Fa lian'ady, mifandrafy, mifanao izaho ity
Feno fihatsarambelatsihy

2. Ra ny fahalalako Anao ry Mpamonjy ô!
Fahavalonao aza tiavinao
Tsy tianao ny valtononkira.serasera.orgifaty, valinao soa ny ratsy
Hafa noho izay fanaonay mpianatrao

Ra ny aminay indray Jesoa fantatrao
Vitsy ny soa fa ratsy no maro
Fitokoana, fandotoana, famonoana fanahy
Izany indrisy no talentanay

Fiv: Amboary re Jesoa, amboarinao
Ovay ny toetray ho toy ny Anao
Diovy ny fonay ho vaovao
Ka dia fitiavana tena Anao
No hiainanay hatrizao
Tefeo re Jesoa ho mendrika
Anay ny mitondra ny Anaranao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : AMPIFITIA
Mpamaky : 516
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Anjara03
Tamin'ny : 11/01/2017 10:55:54
ID : 9063

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo