FITIA (Youngboy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy midongy mba hijery
Eo ihany koa ny hisarika hanery
Saingy tsy nahaliana ahy angamba
Fa raha vao ianao aho dia toa ilay jamba
Nahita anao aho hoy aho sady taitra
Nahita anao kanto sy raitra
Tsy nahareseko ny fankam-panahy
Izay tampoka amiko tsy naha lehilahy

Ref:Fitia aho tsy nahalala mihitsy
Na mafana,na ihany koa mangitsy
Ianao no napatonga ahy ho tia
Ianao no nahaizako izany ho fy

Efa nekeko ka voatendry
Ianao no napatonga ahy ho lasa hendry
Fahendreko taminao niampita
Ny tanjoko isika hiaraka ho tafita
Ianao no nahalalako izany hoe sipa
Nampiova fo hiala amin'ny ratsy vita
Ianao no tiko amin'ilay fitiavana mamy
Ity aho vonona dia hiaraka hatrany

Ref:...

Lasa fasambarako mitoetra
Ilay fahatsaram-ponao rehetra
Ilay feonao malefaka tsy mihanto
Mitempotempo ato anatiko ato
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Youngboy
Visites : 861
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : gabyrazafindramanana.noc
Date : 09/01/2019 21:14
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0722