Apetrako (SALSA Ziona Fahazavana Anosibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Apetrakay eo Aminao Jesoa Kristy
Ity asa fitoriana fiderana Anao
Fanahy Masina ô! Avia
Midina faingana ety
Izao hira asandratray izao
Atolotray mba ho Anao

REFRAIN:
Apetraka Aminao tokoa
Apetrako eo ry Ray Tsitoha
Ho eo ambany Elatrao
'Zao asa fitoriana izao
Ny ankohonanay
Ny fiangonanay
I Madagasikara izao
Apetrakay eo Aminao

2- Apetrakay eo Aminao Ry Ray Tsitoha
Ny fianarako , ny fivelomako
Ny varotra izay atao
Ny asa eo amin'ny birao
Ny tolon-tsaina sy ny hery
No angatahina Aminao

REFRAIN:
Apetraka Aminao tokoa
....

3- Apetrako eo an-tànanao Jehovah Ray
''Zao làlako izao , sy izay ho avinay
Ka tsy mba misy hampanahy
Antananao ny momba ahy
Ny andronay rehetra izao
Apetrakay eo Aminao

REFRAIN:
Apetraka Aminao tokoa
....


SALSA Ziona fahazavana Anosibe
A/C: RAHADRA MAHEFA
--------
Lien:
Commentaires
niainarahadra ( 31/01/2018 10:59)
A/C: RAHADRA MAHEFA
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : SALSA Ziona Fahazavana Anosibe
Visites : 1792
Préférés : 2 J'aime
Ajouté par : niainarahadra
Date : 31/01/2018 11:06
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1722