MATOKIA (Ny ravin'oliva)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tompo o! Raha hifatana izato diako izato
Tompo o! Efa niezaka tsy niato
Ho tafita hahavita ve?
Mbola lavitra tsy hita
Tompo o! Mila ho trotraka,mila ho potraka

Fa niainga aho dia lasana
Tsy niandry,tsy nandrasana
Fa avy hatrany dia namonjy ilay akany ×2

Tompo o! teny andalana aho
Toa torovana avokoa
Na ny saiko,na ny aiko,na ny fo
Tapa-kevitra aho fa hipetraka
Hiala sasatra aho fa reraka
Dia nitazana ity lalana mbola ho diavina

Kanjo tampoka nanorisory
Ilay fahavalo nampahory
Te hisakana,te hanakana izany dia ×2

Tompo o! nitanondrika aho
Sakodiavatra irery
Tsy nandroso,tsy niemotra fa toa very
Tompo o! ny ao anatiko ao
Efa very fanantenana
O! indrisy! Aiza intsony ilay kanàna

Kanjo tonga Ianao nisakambina
Tsy namela fa niambina
Dia niteny hoe matokia malakia ×3
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ny ravin'oliva
Visites : 1214
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : tolotra23
Date : 27/12/2017 10:35
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735