Eto anatrehanao (NY ANTSAFIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hira fanevan'ny fahafolo taonan'NY ANTSAFIA

(lahy)
1-Androany aho dia tsy tafatombina mihitsy
Raha nahatsiaro ilay famonjena izay nataonao ahy
Ka nahatonga ahy hamerina sy hanavao
‘Reo voady izay nataoko teo aminao
(vavy)
Androany aho dia tsy tafandry mandry
Raha nahatsiaro ilay toky mamy nataonao ahy
Hoe ho avy haka sy handray
Ka izay misy anao no mbola hisy ahy

Eto anatrehanao, eto anatrehanao
No hanolorako ndray ny foko hanjakanao
Eto anatrehanao, eto anatrehanao
No ilazako f’izaho tsy hiala na koa handao

Ka na ady na hoe fijaliana
Ranomaso noho ny fahoriana
‘Zaho tsy hiova, hanaraka anao hatrany
Korana sy ny fifaliana
Velon tsiky aho satria notahiana
Hanandram-peo fiderana sesilany

Eto anatrehanao, eto anatrehanao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : NY ANTSAFIA
Visites : 1250
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : NYANTSAFIA
Date : 18/11/2017 08:41
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0738