Tsy hita izay atao (IBEmaso & Co)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy hita izay atao.
Miambakavaka ny saina.
Sepotsepotra ny aina.
Malotoloto ny maraina.
Feno taraina.

o Ô o Ô

Zazakely mameno sisin'arabe.
Mitalaho. Mangataka ny famindraponao.
Ngeza be. Be dia be e.

Na fotsimbary iray aza.
Hiononany hono ange.
Zanahary no hanome.
Arivo avo heny.
Ho tambiny e.

Tsy hita izay atao.
Miambakavaka ny saina.
Sepotsepotra ny aina.
Malotoloto ny maraina.
Feno taraina.

o Ô o Ô

Tanora maro manenika ny anjerimanontolo.
Maniry mafy. Miezaka an-keripo.
Hampivoatra ny tontolo.
Hampilay ny tontolo feno savorovoro.

Fa toy ny gadra voafatotra.
Toa hazo bobongolo. Ratsy kolokolo.
An'olombitsy ny fahefana manontolo.
Pôlitika bontolo.
Mampisarita-bolo ho toy ny olo azondolo.

Mitalaho ny zavaboahary noharian-Janahary.
Dorotanety aty. Mandrava andramena ary.

Mikorontana ny hary ilay nohanjarian'ilay Nahary.
Simba.
Zimbazimbain-draolombelona.
Hatrany an-kibon'ny tany.

Tsy hita izay atao.
Miambakavaka ny saina.
Sepotsepotra ny aina.
Malotoloto ny maraina.
Feno taraina.

o Ô o Ô
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : IBEmaso & Co
Visites : 875
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ikalamako
Date : 18/05/2018 09:28
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0819