Apetrako eo Aminao (Antoko-Mpihira JIZRAHIA (Fjkm Ambohijafy Fanantenana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Apetrako eo Aminao, ny amiko avokoa
Foiko ho tantananao tsy ny iray na roa,
Eny izay rehetra momba ahy, indro atolotro,
Tenako fo sy fanahy oneno.

REf:
Anilanao Jesoa no ho safidiko,
Ka higoka ny maminao iriko,
F’Ianao nilaza hoe matokia,
F’Izaho tsy andao anao sanatria,
Homba sy hanolotra fitsaharana

Apetrako eo aminao, ny fiainako,
Tsy misy afa tsy Ianao no itarainako,
Entiko ho sahaninao ny adin-tsaiko,
Nefa izay sitrakao teliko.

REf:
Anilanao Jesoa no ho safidiko,
Ka higoka ny maminao iriko,
F’Ianao nilaza hoe matokia,
F’Izaho tsy andao anao sanatria,
Homba sy hanolotra fitsaharana
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Antoko-Mpihira JIZRAHIA (Fjkm Ambohijafy Fanantenana)
Visites : 1283
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : TokyHars
Date : 17/11/2017 07:50
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0947