Matro be (Samoela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Adalan’ny tena ianao Ramatro ka tafian-damba
Ary ny basy atifi-kavana no arangaranga
Fa efa dila sy efa tsy any intsony ianao
Ka ny toaka sy rongony re mba hajanony
Aleo hilamina amin’izay Ramatro, sao hanenina
Fa ny vavan’ny vahoaka anie ka tsy azo afenina
Aiza ka isan’andro izao ianao no mitolona
Efa leo anao enie ny fokonolona
Ny bikanao anie Ramatro
Raha misy kely tena fako
Ny vatana manifinify
Ny hoditra dia mena fify
Efa feno loadoaka
Efa tsy hita intsony ny trôtrôka
Raha izao no mitohy, dia ho avy izahay ihirahira hoe :
ôh! Mandrosoa ry mpanaraton’i Jesoa.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Samoela
Hits : 4162
Likes : 1 Like
Created by :
Date : 01/11/2001 23:11
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108