Aza manalavitra ahy (SALSA Ziona Fahazavana Anosibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Ry Jesosy ô! Mba henoy 'zao fivavako izao
Ento re ka mba trotroy tsy hanalavitra Anao
Tsy mahay mandeha irery aho sao dia potraka ety
Aza Avelanao hanjeny mba tantano Raiko ty

REFRAIN:
Aza manalavitra ahy sao very aho ry Raiko tia
Fa satria Ianao no miahy ireo ondry izay nania
Andeha ho aiza moa izahay raha Ilaozanao indray
Aza manalavitra ahy ry Ray

2- Aza Avelanao irery ity ondry izay nania
Aza Avelanao ho very 'ty kambotikely ity
Mamelà ny helokay, Mamindrà fo aminay
Ipetrahako eo akaiky sy eo Anilanao ry Ray

REFRAIN:
Aza manalavitra ahy sao very aho ry Raiko tia
...............

3-Aza manadino ahy ry mpihaino vavaka
Aza manalavitra ahy Raiko tsy manavaka
Aza Halavirinao 'zao tanànanay izao
Miangavy mitalaho, aoka mba ho Arovanao

REFRAIN:
Aza manalavitra ahy sao very aho ry Raiko tia
...............

SALSA Ziona fahazavana Anosibe
A/C: RAHADRA MAHEFA
--------
Link:
Comments
niainarahadra ( 31/01/2018 16:20)
SALSA Ziona fahazavana Anosibe
A/C: RAHADRA MAHEFA
onisoa2008 ( 09/02/2018 09:05)
MANGATAKA TONOKIRA FJKM ANKADIKELY ILAY HOE : niova fo

Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : SALSA Ziona Fahazavana Anosibe
Hits : 1454
Likes : 1 Like
Created by : niainarahadra
Date : 31/01/2018 16:23
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0764