Fitia tsy anjara (RR Majunga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy navela hiara-dia
Nefa, nefa mifankatia
Dia lazaina fa tsy anjara
Na ambara fa voarara
Izahay no nisafidy
Dia ny hafa ve no handidy?
Mionòna, hono, sombinaina
Zany ho avy andrandraina,
Ny tena, ny tenantsika no saraka
Fa ny fo, ny fontsika miaraka
N’iza n’iza handrafy, hankahala
Izaho sy ianao ho malala.

’Ndeha hiaraka àry izao
Tsy ho nofy, tsy lalao
Hanohy ny dina izay natao
Isika, dia izaho sy ianao.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : RR Majunga
Hits : 11313
Likes : 0 Like
Created by : ravo
Date : 12/04/2003 10:38
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0125