Fisarahana (Rossy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Eny mamy tena mamy lesy ny fotoana niarahana
Nefa mamy toa mangidy, fa nosomparam-pisarahana
Ka raha saraka amin'ialahy lesy teny kely no vimbino
Teny kely teny tsotra ho aho, dia ny aza manadino o o

raha ny lalana rehetra aleha, dia misy farany avokoa,
ny fiarahana manam-petra, manam-piafaràny koa e
Raha hisaraka eto anio, ekena, mafy izany
saingy izao no tadidio anie, any aoriana hiaona ihany e

Dia veloma vetivety ho aho e, dia veloma mandram-pihaona
Dia veloma vetivety akia, fa any aoriana mbola hiaona
Dia veloma vetivety ho aho e, lay teny kely tadidio
Hoe veloma sy masìna, ho'aho, 'lay fifankatiavana kajio
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Rossy
Hits : 5023
Likes : 0 Like
Created by : ikalamako
Date : 20/11/2015 19:53
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0732