Lahatra (Rebika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aiza ianao rahavako
Hamafa rano amin’ny tavako
Sento no mameno ny fiainako
Zay rakotra alahelo
Fa mirotsa-dava
Toa ranomasonjaza
Fahoriana ny ahy
Satria marary anao ny fanahy

Ranomaso tena fatratra
Mirotsaka mipatrapatraka
Raradraraka toa oram-pahavaratra
Indro sakaizam-pandriana
Lay havanao ô ry tiana
Ny adin-tsaina
mila tsy ho zaka zakaina

Indrisy ry malala
Zao tokoa ve no anjara
Tsy hay ialana intsony
Fa efa tora-bato avy any ambony
Zao tontolo izao
Tsy atakaloko anao
Raha voavidy koa ianao hifohazanao dia natao

Betsak’ireo fahatsiarovana
Nitoetra ka diso alahelovana
Fadiranovana
Mahatonga fahamoizana
Toa alina ny antoandro
Fa maizim-pito ny masoandro,
Ry ambanilan’lanitra o,
’Zao no lahatr’Andriamanitra!
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Rebika
Hits : 11231
Likes : 0 Like
Created by : Dadamary
Date : 08/12/2001 23:30
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.072